<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>P.P. Bliss</author>
<hymn_number>434</hymn_number>
<title>Ny foko, ry Mpamonjy FFPM434</title>
<lyrics>[V1]
 Ny foko, ry Mpamonjy,
 Atolotro Anao ;
 Maloto ka diovy,
 Mba ho fonenanao.
 Ny ranao izay nalatsaka,
 No aoka mba hanafaka
 Izao fahotako be izao.

[V2]
 Ny fahoriam-poko
 Atolotro Anao ;
 Fa he, mampitoloko,
 Manindry mafy ao ;
 O, ry nijaly an-tsitrapo,
 Tohàny ny fanahiko
 Mba tsy hamoy fo izao.

[V3]
 Ny fifaliam-poko
 Atolotro Anao ;
 Arovy tsy haloto,
 Diovy ho Anao,
 Ampio ho tanteraka,
 Ho tonga ao an-danitra
 Hanatrika ny tavanao !

[V4]
 Ny tenako rehetra
 Atolotro Anao ;
 Anao tsy misy fetra,
 Anao, re, hatrizao,
 Ka raiso ho fanananao
 Hanompo
 sy hanaja Anao,
 Ry Tompo
 sy Mpanjaka ô !</lyrics>
</song>